<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 &quot;Ambarao, ry mpivahiny !
 Ny alehanao izao !&quot;
 &quot;Fiakarana mideza,
 Ihoaranay anio ;
 Jesosy Tompo no miantso
 // Mba ho ao an-tany soa ;
 //  Mba ho ao an-tany soa ;
 Jeso no alehanay // &quot; //

[V2]
 &quot;Lozanao, ry mpivahiny,
 Làlana tsy fantatrao !&quot;
 &quot;Tsia, fa anjely maro
 No miaraka aminay ;
 Jeso Tompo no mitondra.
 Tsy hanjo anay ny loza,
 // Tsy hanjo anay ny loza ;
 Izy no ampinganay // &quot;

[V3]
 &quot;Inona, ry mpivahiny,
 No ho azonao ary ?&quot;
 &quot;Jeso Kristy be fitia
 Vonon-kanome anay
 Lamba fotsy, zava-tsoa,
 Ranon'aina tsy ho lany,
 // Ranon'aina tsy ho lany !
 Jeso no hatoninay // &quot;

[V4]
 &quot;Tianay, ry mpivahiny,
 Mba hiaraka aminao !&quot;
 &quot;Mandrosoa ry sakaiza !
 Miaraha aminay;
 Fa izay mitady tsara
 Tsy mba lavin'i Jesosy,
 // Tsy mba lavin'i Jesosy,
 Izy no hidiranay // &quot;</lyrics>
<title>Ambarao, ry mpivahiny! FFPM504</title>
<hymn_number>504</hymn_number>
<author>W.B. Bradbury</author>
</song>